Mila ovaina ny làlan’ny rivotra

Indraindray ny natiora dia toa manana ny “fahalemem-panahy” mampitandrina mialoha, alohan’ny hanova ny anjaran’olona antsasaky ny tapitrisa monina amin’ny faritra maro.

Saika tsy misy sisa i Toamasina, iray amin’ireo havokavoka ara-toekaren’i Madagasikara, taorian’ny fandalovan’i Gezani. Lazaina fa eo anelanelan’ny 75 % hatramin’ny 90 % ny fahasimbana. Sambo roa monja no handrakotra ny faritra Analanjirofo, izay manodidina ny 21 930 km². Ireo tarehimarika vitsy ireo dia manaporofo ny tsy firaharahian’ny manampahefana manoloana ny loza efa mananontanona.


Misy vola ho an’ny dia miverimberina amin’ny jet privé, fa tsy ho an’ny fiomanana amin’ny loza? Tsy takatry ny saina ary tsy azo ekena.

Ahoana no tsy hahatezitra manoloana ny vahaolana zara raha misy?

Isan-taona, amin’izao fotoana izao, dia iharan’ny tafio-drivotra sy rivodoza ny firenena. Ary isaky ny mitranga izany, mitovy hatrany ny tantara mampalahelo:
miantso vonjy, miantso firaisankina nasionaly na vavaka — indray mandeha indray — raha mbola miroso lalindalina kokoa ao anatin’ny fiankinana sy trosa ny firenena.

Rahoviana no hisy tena fandraisana andraikitra avy amin’ireo milaza fa afaka mitondra?

Ny fampihenana ny vidin’ny tafo vy sy ny fantsika mba hahafahan’ny mponina marefo manarina, eo am-piandrasana ny loza manaraka, moa ve izany no atao hoe fanavaozana?

Milaza izy ireo fa misy vola an-tapitrisany dolara hovahana. Fa oviana no efa tsy nisy fepetra miafina ny fanampiana avy any ivelany? Ary firy amin’izany no tena hahatratra ny vahoaka sy ny fanarenana ireo faritra voadona?

Fitsapana ho an’ity fitondrana vonjimaika ity izao loza izao.
Hatramin’izao, ny fahakiviana no tena manjaka.

Aoka tsy hohadinoina fa aorian’ny alahelo dia tonga hatrany ny hatezerana, alohan’ny fisaonana.

Hery sy fahasahiana ho an’ny kamarady rehetra.

Ny tolona ihany no manafaka.

Commentaires

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *