« 29 Mars 1947 sy Miray Vilany. Inona ky nidirany ? » Sur une des inspirations peu connues de la cantine solidaire.
Manome voninahitra ireo mpitolona niady ho an’i Fahaleovatena marina isika. Tsara ho fantatra fa marolafy ny endrika fifampitsinjovana nandritra ny tolom-pahafahana 1947. Anisan’izany ny » Miray Vilany « . Sombina fitsojorona vavolombelona iray ity.
« – Iny no nampiasainareo nandrahoana ?…
– E ! Eo ny vilanin-ndry zareo mipetraka anaty ala ! Iny no indramina izany mba handrahona, ireo mipetraka anaty ala manana angala ampagotrahina io izany, io no indramina ny vilaniny andrahoa amin’io izany, ny avy andrahona amin’io izany, ny avy andrahoan’ny sasany no andrahoana koa. Da izay any, tsy misy hoe mifampianlona hoe, tsy omeko anao ty vilany ity. Ny avy andrahona ny sasasany da ento koa ngahy mba hahandroanay aty . Izay aby no natao tamin’iny, boaka andro da iny. »
Iny Niseho tany Vohipeno, Mitantanra ny endriny i Lidy
Tsy sendrasendra raha nantsoina hoe « Miray Vilany » ny etsika iraisankina voalohany tanterahin’i Zanabahoaka. Hita taratra amin’ny tolompiavotana maro ny ady amin’ny fahanoanana sy ny fizarana sakafo. Ohatra avy any ampitandranomasina ny an’i Black Panther Party rehefa nametraka ny Tetikasa Sakafomaraina maimaimpoana ho an’i ankizy sy fitzarana sakafo.
Ankehitriny raha mibanjina fahaleovantena aman-pivoarana isika, ndao raisina ny fanilo ampitain’ny maherifo. Ndao isika hifampitsinjo, na miantomboka amin’zay Miray Vilany zay ary. Tsisy manana ny ampy, mitolona izay mifanampy !
Laisser un commentaire